Fomba fanaon’ny Malagasy ny fanadiovana na fidiovana amin’ny vanim-potoana lehibe iray. Nampiasain’ny Malagasy fahiny ny afo, ny rano, sns. Nitondra harendrina ny ankizy ho fanadiovana ny lolo ratsy na fanahy ratsy mety hanimba ny tanàna iray manontolo. Mandro sy midio amin’ny rano sy ny zava-maniry ny tsirairay, mba hadio ka tsy ho azon-tsakana izay hataony any aoriana. Olona madio no miatrika ny fiainany mbola ho avy. Tsy endrika ivelany no nanaovan’ny Malagasy azy ireny fa fahalalana nananan’ny razany. Noho izany, ilain’ny tsirairay ny midio, amin’ny vanim-potoana tokony hanaovana izany.
Fiverenan’ny Fahaleovantena, vanim-potoana iray lehibe ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy no hodiaviny tsy ho ela. Na ny tany (Madagasikara) na ny olona (Malagasy), mila midio avokoa !
HaRy Razafindrakoto