Kaominina Ambodibonara: manavotra tokantrano maro ny firoboroboan’ny fikambanana Voamami

Notanterahina tany amin’ny kaominina Ambodibonara, distrikan’i Mahanoro, ny herinandro teo, ny Andron’ny Voamami na Vondron’olona an-toerana miara-manao tahiry sy mifampindram-bola, izay novolavolain’ny USAID Access.

Anisan’ny miavaka ny Voamami ao Am­bodibonara satria miroborobo ary efa mipetraka ny fifampitokisana sy ny drafitra amin’ny tahiry sy findramam-bola, hoy ny mpiandraikitra ny Voamami ao amin’ny faritra Atsinanana, Rabefetra Hecto. Torak’izany ny ta­hiry fahasalamana izay novoizina ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny ankohonan’ny mpikambana.
Natao hiomanana raha sanatria misy tsy fahasalamana. Nanomboka ny taona 2021 no nampidirana io tahiry fahasalamana io. Efa maro ireo misitraka tombontsoa satria afa-pahasahiranana amin’ny fanatonana tobim-pahasalamana amin’ny tampoka raha nivaro-pananana mihitsy teo aloha ho fanavotan’aina. Eo koa ireo niteraka izay nisitraka tombony amin’ny alalan’ilay tahiry fahasalamana. Miara-miasa akaiky amin’ny tobim-pahasalamana, araka izany, ny Vo­amami ary misy ny fifanarahana mazava tsara hahafahan’ireo mpikambana misitraka fikarakarana sy fitsabo­ana amin’ny andro sarotra.
Ho an’ny kaominina Am­bo­dibonara, misy vondrom-pikambanana 95, ahitana mpikambana 1113 ao an-toerana. Manao tahiry fahasalamana avokoa ny 80% amin’ ireo. Efa tena mahaleo tena tanteraka ny fikambana amin’izao fotoana.

Fomba hahafahana manao fihariana ny Voamami
Vondrom-pikambanana manao tahiry ary afaka mifampindram-bola ireo mpikambana ao amin’ny Voamami. Sakana tsy mampivoatra ny olona ny resa-bola. Tanjona, araka izany, ny hahafahan’ny olona mitahiry sy mindram-bola.
Ho an’ny faritra Atsi­na­nana, distrika 5 amin’ny 7 no manana Voamami ao anatin’ny kaominina 8. Misy vondrom-pikambanana 358 ary mpikambana 8.000 ny Voamami any Atsinanana. Efa-taona no niasan’ny USAID Access, nitondra fampivoarana amin’ny sehatra ara-pahasalamana.
Nanombohana azy ny tahiry sosialy azo ampiasaina raha misy fahasahiranana. Nisy ny tahiry fampindramana natao hifampindra­man’ny vondrona vola. Mameno ny tahiriny isan-kerinandro ny mpikambana ary azo indramina izany ary zaraina isaky ny faran’ny tsingerina isan-taona.
Efa napetraka hatramin’ ny voalohany ny lamina haharetan’ny Voamami, hoy Vina Niclès, mpanara-maso ny Voamami any Ambo­di­bo­nara. Nampiofana olona tany an-toerana ny USAID Access. Rehefa tapitra ny fandaharanasa USAID Access, amin’ny taona 2025, dia efa mahay mandeha irery ny fikambanana, mipetraka ny traikefa ary hanohy hatrany ny asa fanentanana sy mametraka ny tambajotra mba tsy ho rava fa hahomby hatrany.

Anisan’ny fikambanana manaraka fitsipika indrindra ny Voamami. Hentitra ny fifampitondrana sy ny fitsipika anatiny. Manaja ny lalàna mifehy. Efa misy rahateo ny sori-dalàna mifehy ny Voamami, araka ny laharana 632/2023, tamin’ny janoary 2023.

Tatiana A

65 km miala ny tanànan’i Mahanoro no misy an’Ambodibonara. Mandeha amin’ny lalam-pirenena faha-11 A. Miampita baka in-telo manaraka ny reniranon’i Pangalana raha mitondra fiara ary mijanona eo Masomeloka ny fiara. Manohy mandeha lakana mandritra ny ora telo kosa aorian’ izay vao tonga any Ambodiborana.
Ny mponina any an-toerana kosa dia mampiasa ny lakana na moto hivezivezena sy hitateran’entana. Mandritra ny 12 ora no andehanana lakana raha miala eo Mahanoro mivantana any Ambodibonara.
Mivelona amin’ny fambolem-bary sy mangahazo ny mponina. Manomboka malaza amin’ny voly jirofo sy dipoavatra ihany koa anefa izy ireo ankehitriny.

Partager sur: