Santa : afaka nampiana-janaka rehefa tafapetraka ny Voamami

Mpikambana ao anatin’ ny Voamami Tanjona i Santa, ao amin’ny fokontany Am­bodibonara. Manan-janaka 6 mianadahy izy. Afaka nampiana-janaka ara-dalàna re­hefa mirindra tsara ny findramam-bola. Afaka nampianatra ny zanany any Ma­hanoro ary efa afaka bakalorea izy ankehitriny.
“Indray alahady, sendra tsy salama tampoka aho, tsy nanam-bola satria efa nalefa tany amin’ny zanako any Mahanoro ny tao am-bata. Nankany amin’ny tobim-pahasalamana efa miara-miasa amin’ny Voamami anefa aho ka noraisin’ny dokotera an-tanana ny fahasalamako ary ny vola ao amin’ny fikambanana no hanefana ny saran’ny fanafody rehetra”, hoy izy.
Matotra ny fifampifehezana ao amin’ny Voamami Tanjona. Misy ny mpanentana ary manazava ny fomba hampiasana ny vola mba tsy ho lanilaniana fahatany. Misy hatrany ny fampahatsiahivana ary mangarahara amin’ireo mpikambana rehetra ny vola miditra sy mivoaka amin’ny alalan’ny tatitra atao isan-kerinandro. Misy ny karne mazava tsara mirakitra izany.
29 ireo mpikambana ao amin’ny Voamami Tanjona. 4000 Ar hatramin’ny 20.000 Ar isan-kerinandro no afaka arotsaka, arakaraky ny fahefan’ny mpikambana. Telo volana no hahafahana ma­me­rina ny vola nindramina.

Alavitra ny toerana misy banky ka voafetra ny fanaovana tahiry sy findramam-bola. Noho ny Voamami anefa dia afaka manao tahiry sy mindram-bola izahay. Mipetraka ny fifampitokisana, matotra ny fifanarahana, mangarahara ny findramam-bola.

Tatiana A

Partager sur: