Vita tetsy Anosy, omaly, ny sonia fifanaraham-piaraha-miasa teo
amin’ny fandaharanasam-pirenena momba ny fanjarian-tsakafo (Pam) sy ny minisiteran’ny Mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy.
Vola mitentina 7 hetsy dolara no enti-miasa hanarenana ara-tsakafo ireo olona tena marefo any amin’ireo faritra iasany, amin’ity taona ity. Havaozina isan-taona ny famaritana ny tetibola arakaraky ny asa hatao.
Haharitra efa-taona ny fiaraha-miasa, izay hitohy hatramin’ny taona 2028. Hapetraka ny tetikasa vonjy aina ary hiompana amin’ny sakafo sy ny fanarenana ny voina izany. Eo koa ny fanaovana tetikasa maharitra 2 na 3 taona.
Hiparitaka manerana ny Faritra 23 ny tetikasa, manomboka amin’ny faran’ny volana jolay izao, raha tamin’ny faritra vitsy izany teo aloha. Tsy ho any atsimon’ny Nosy ihany fa hahenika an’i Madagasikara mihitsy.
Distrika 47 no misy ny tetikasa ankehitriny ary ho tonga any amin’ny 100 izany hatramin’ny faran’ny taona, raha ny fanazavana nentin’ny tale jeneralin’ny Fiahiana sosialy, Rivomanana Ghisbert. Amin’ny taona 2024 dia ho rakotra avokoa ny faritra rehetra.
1.300.000 ny tokantrano misitraka mivantana amin’ireo Faritra 23. Amin’ny taona 2030 dia ny antsasa-manilan’ ny olona marefo dia hisitraka tohana amin’ny fiahiana ara-tsosialy avokoa. Manodidina ny 25% anefa izao no efa misitraka izany.
Omaly ny fotoana nihaonana tamin’ny mpamatsy vola samihafa sy ny minisiteran’ny Mponina niresahana ny fiahiana sosialy. Manamafy ny mpiara-miombon’antoka ny maha-zava-dehibe ny fanavaozana ny paikadin’ny fiahiana ara-tsosialy hahafahana mahazo vokatra tsaratsara kokoa. Ifarimbonan’ny minisiteran’ny Mponina, ny Fahasalamam-bahoaka, ny Fanabeazam-pirenena, ny Famboena sy ny fiompiana ary ny Fiahiana sosialy eto Madagasikara.
Tatiana A