Nahazo fitaovana (dabam-pako 115 sy camion vidangeur roa ary fitaovana fiarovana maro samihafa) avy amin’ny Pnud ny kaominina Antananarivo Renivohitra, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely ny lanonana. Tonga nanatrika izany, ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra sy ny solontenan’ny Pnud. «Hampiasaina handraofana ny fako sy hanadiovana ny lakandrano eto amin’ny faritr’Antananarivo ireo fitaovana ireo», hoy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina. Tanjona ny hanadiovana ny tanàna sy hiarovana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanenana ny loto ateraky ny fiparitahan’ny fako, raha ny fanazavana.
Olana mahatonga ny fiparitahan’ny fako ny tsy fahampian’ny dabam-pako eto an-toerana, raha ny fanazavana. Ankoatra izay, ny fotoana ela tsy nandiovana ny lakandrano. “Entina hanadiovana ny lakandrano ny camion vidangeur satria mampatahotra sy manahirana ny mandefa olona hidina hanadio azy ireny”, hoy hatrany izy.
800 t isan’andro
Manodidina ny 800 t isan’ andro ny fako raofina eto amin’ny faritr’Antananarivo, raha ny fanazavana. Nilaza ny ben’ny Tanàna fa mandany volabe isam-bolana ny Sociéte municipale d’assainissement (SMA)
amin’ny vidin’ny solika sy ny karaman’ny mpiasa amin’ny fanadiovana. Ezaka ataon’ny kaominina, araka izany, ny fampidiram-bola amin’ny alalan’ny fanodinana ny fako mba hiteraka asa. Eo koa ny fampitomboana traikefa iarahany miasa amin’ny governemanta japoney. Ankoatra izay, ny fampitomboana ireo fitaovana eo am-pelatanana mba handaminana sy handraofana ny fako.
Mino (mpianatra asa)