Hotanterahina anio, ao amin’ny kianjan’i Istanbul ny lalao famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa « Ligue des Champions 2023 » (LDC). Araka izany, hiady ny amboarabe ny Manchester City, anglisy sy ny Inter Milan, Italianina. Tsiahivina fa ny Manchester City, nanilika ny Real de Madrid, Espaina teo amin’ny lalao manasa-dalana, raha toa ka ny AC Milan, Italianina no nahintsan’ny Inter Milan. Marihina fa indroa amin’ity izao ny Man City no hiatrika famaranana, raha toa ka efa nibata ny amboaran’ny LDC ny ekipa italianina, tamin’ny taona 2010. « Hiezaka mafy izahay ny haka ny amboarabe voalohany ho anay”, hoy i Kevin De bruyne, irakiraka Manchester City. “Efa niady tanteraka izahay, ary hiezaka ny haka amboara”, hoy i Lukaku, lohalaharana Inter Milan.
Fitia (Mpianatra asa)