Tsy nahatohitra ny Makis de Madagascar ny ekipa voafantin’i La Réunion, nandritra ny “Festival des rugby”. Nomontsanin-dry zalahy izy ireo, nandritra ny fihaonana, natao teny amin’ny kianja Makis, omaly.
Tontosa, omaly, tetsy amin’ny kianja Makis Andohatapenaka ny «Festival des rugby». Nanamarihana izany ny fihaonan’ny Makis de Madagascar sy ny ekipa voafantin’i La Réunion. Niondrika teo anatrehan’ny Malagasy, tamin’ny isa mazava 55 no ho 22, ry zareo renioney.
Teo amin’ny 20 mn voalohany ihany no hany afaka nanohitra ny Makis ry zareo renioney. Nifanakaiky mantsy ny isa tamin’izay, 15 no 10, ka nitarika ny Malagasy. Nanomboka teo, noverezin-dry Ginot sy ry Mika ary ry Koroka tamin’ny tolotolotra haingam-pandeha ry zareo vahiny ka vetivety dia niitatra ny isa teny amin’ny solaitrabe. Mailaka ary natanjaka ny Malagasy. Nanahirana ny renioney ny «charge» nataon’ny Makis. Nitarika tamin’ny isa 36 no ho 15 ny Makis, teo am-pialan-tsasatra.
Fizarana faharoa, tsy naharaka ny hafainganan’ny Malagasy intsony ny renioney. Tsara rindra ny fanafihan’ny Makis, niainga tamin’ny «trois quart», ary miafara amin’ny baolina nentin-tanana.
Tetsy ankilany, zara fa mahatafavoaka baolina ny renioney. Tsy nahafaty baolina afa-tsy «hors jeu» roa monja ry zalahy nandritra ny 40 mn faharoa. Azo lazaina fa afa-bela izany ny Makis tamin’ity. Raha tsiahivina, nisaraka ady sahala, 40 no ho 40, ny roa tonta, ny volana marsa lasa teo.
Fihaonana manaraka miandry ny Makis de Madagascar, ny hikatrohany amin’ny Université d’Oxford avy any Angletera. Lalao hotanterahina etsy amin’ny kianja Makis, ny alahady 25 jona ho avy izao.
Ankoatra izay, lavon’ny Makis 2012, tamin’ny isa 36 no ho 30, ny Barbarians.
Tompondaka