Niditra tamin’ny andro faharoa, omaly, any Morondava, ny fifaninanana nasionaly N1B Lehilahy, taranja basikety. Azo lazaina ho mifandanja tsara avokoa ireo ekipa mpifaninana rehetra nandritra izay roa andro izay. Fihaonana tena niady ary nampitsanga-mitoetra ny mpijery, ny lalao teo amin’ny As Victoire Boeny sy ny AKBB Analamanga, izay nisaraka tamin’ny isa 42 no ho 43, ka nivoaka ho mpandresy ny AKBB. Torak’izany ny fifandonan’ny BLACK Atsinanana sy ny 3FB Androy . Isa roa monja ny nanelanelana ny an’ny roa tonta (54-56), izay nivoahan’ny 3FB ho mpandresy. Nandravarava kosa ny SBBC Boeny nanoloana ny Serasera Vakinankaratra ka nahazo ny fandresena, tamin’ny isa mavesatra 76 no ho 46. Mbola hitohy hatramin’ny alahady 18 jona izao ny fifaninanana N1B lehilahy, tontosaina any Morondava ity. Hiakatra ho N1A izay ekipa tompondaka amin’izany.
Mi.Raz