Mitohy hatrany ny fandraisana mpampianatra ho mpiasam-panjakana eto amin’ny Nosy. Mpampianatra 520 avy eto amin’ny faritr’Analamanga no nisitraka fifanarahana arak’asa.
Notanterahina tetsy amin’ny kianjan’ny Makis Andohatapenaka ny lanonana fizarana fifanarahana arak’asa ho an’ireo mpampianatra eto amin’ny Dren Analamanga, ny Sabotsy teo. Nisitraka izany ireo mpampianatra 520 (45 hatramin’ny 55 taona), andiany fahasivy avy amin’ny fari-piadidiam-pampianarana 8 mandrafitra an’ Analamanga. Avy eto Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano, Avaradrano, Anjozorobe, Ankazobe, Andramasina, Manjakandriana ary Ambohidratrimo izy ireo. Tanjona ny hanatsarana ny andavanandrom-piainan’ny mpampianatra sy hanomezan-danja ary hanatsarana ny sehatry ny fanabeazana eny anivon’ny sekoly eto amin’ny Nosy. “Mangarahara sy madio tanteraka ny fandraisana ny mpampianatra ho mpiasam-panjakana manerana ny Nosy”, hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Nilaza izy fa mendrika avokoa ireo mpampianatra ireo matoa voaray ho mpiasam-panjakana. Ankoatra izay, nozaraina finday avo lenta 2742 ihany koa ireo talen-tsekoly rehetra eto amin’ny fari-piadidim-pampianarana manerana ny Nosy. Ankoatra izay, notolorana solosaina 54 ihany koa ireo division planification mba hitahirizana ireo antontan’isa eny anivon’ny sekoly. Nahazo tolotra manokana avy amin’ireo mpampianatra ihany koa ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena nandritra izany.
Mijery ny fanabeazana ny filoha
“Nitondra fanatsarana ny fanabeazana eto amin’ny Nosy, ny filohan’ny Repoblika satria efa 315.000 ireo mpampianatra noraisina ho mpiasam-panjakana, 4 000 ireo sekoly manara-penitra vita”, hoy hatrany izy. Nilaza izy fa maherin’ ny 200.000 ireo mpianatra nisitraka izany. Ankoatr’izay, mahatratra 18 miliara Ariary ny tetibola natokan’ny fitondram-panjakana ho an’ny sakafon’ny mpianatra. Maherin’ny 40 miliara Ariary ihany koa ny vola handoavana ny «vacation» nanomboka ny taona 2018. Mbola hisy ny fandraisana ireo mpampianatra hafa manerana ny Nosy aorian’izao.
Mino (mpianatra asa)