Homarihina rahampitso ny Andro iraisam-pirenena ho fampahafantarana ny olona manana toe-tena varira. Ny fampihatiana no hery, io ny lohahevitra voizina amin’izany. Eto Madagasikara, vao haingana no niorina ny fikambanan’ny olona variva. Tanjona ny hiarovana ny fitakiana ny zony sy ny fiarovana azy.
Misy solontena isam-paritra ny fikambanana ahafantarana ny tena isany, sy manetsika azy hijoro sy ho sahy miady amin’ny herisetra mahazo azy.
Mirongatra rahateo ny herisetra atao amin’ny olona varira tato ho ato. Ankoatra izany, iharan’ny fanavakavahana na any an-tsekoly na amin’ny sehatry ny asa na eny amin’ny fiarahamonina aza ireo varira.
Tompon’andraikitra amin’ ny fiarovana azy ireo ny rehetra ka tokony ho sahy miteny raha mahita tranga fampijaliana ny varira, hoy ny mpanolo-tsaina manokan’ny fikambanan’ny varira eto Madagasikara, Rejojoariso Rose De Lune. Manatonà ny mpitandro filaminana avy hatrany, ny fokontany sy ireo tompon’andraikitra miaro ny zon’olombelona izay mahita izany.
Tatiana A