Mahita hirika foana! Naiditra am-ponja vonjimaika, omaly, ireo teratany nizerianina roa lahy sy vehivavy iray nahatrarana zava-mahadomelina mahery vaika “méthamphétamine” teny Mandriambero-Ambohidratrimo.
Voasambotry ny polisy misahana ny ady amin’ny fiparitahan’ ny zava-mahadomelina (Stup) Anosy, ireto mpanao trafikana zava-mahadomelina ireto, ny 9 jona 2023 atoandro, niaraka tamin’ny “méthamphétamine”. Niainga avy amin’ny angom-baovao no nahafantaran’ireo polisy miasa ao amin’ny Stup fa misy teratany vahiny mivarotra zava-mahadomelina mahery vaika eny amin’iny faritra Mandriambero iny. Tsy niandry ela fa nidina teny an-toerana avy hatrany ny polisy nanamarina momba ny fisian’ireto mpanao trafikana zava-mahadomelina ireto. Voamarina tokoa ny fisian’izy ireo satria tratra tao amina trano iray izy telo ireto. Hita tao an-trano nandritra ny fisavana nataon’ny polisy ny “méthamphétamine” milanja 3 grama.
Nandritra ny famotoran’ ny polisy no nahafantarana fa izy ireo no mpamatsy zava-mahadomelina mahery vaika amin’iny faritra Ambohidratrimo iny. Sakaizan’ ny iray amin’izy roa lahy ity vehivavy tratra ity ary mahafantatra ny asa ratsy ataon’ireto nizerianina ireto. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny fanadihadiana nataon’ny polisy. Voalaza fa mandalo mivezivezy eto Madagasikara ireto nizerianina mpanao trafikana zava-mahadomelina ireto.
Jean Claude