Tsy nampoiziny ! Saron’ ny zandary mpanao sakana sy fisafoana ny lalam-pirenena faha-34 tao Ankazomiriotra sy Vinany ny fiara tsotra iray ampiasaina hitaterana mpandeha an-tsokosoko, omaly. Voatery nandray fepetra tamin’ny mpamily avy hatrany ny zandary ka nogiazana ny fiara. Nandritra ny fisavana ny antontan-taratasin’ny fiara, voamarina fa tsy manana fahazoan-dalana hanao fitateran’ olona ity fiara ity. Tsy vitan’ izany fa fanamarinam-piantohana efa lany daty no hita tany amin’ny mpamily. Nosavaina ny fiara ka feno olona mihoatra ny isa tokony hoentiny tao anatiny. Manginy fotsiny ny entana misavovona teny amin’ny fitoeran’entana.
Navoaka avokoa ireo mpandeha rehetra tao anaty fiara. Notanana ambalam-pamonjana ao amin’ny kaominina Ankazomiriotra mandritra ny 10 andro ity fiara nanao fandikan-dalàna ity. Hentitra ny zandarimaria miara-miasa amin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) amin’ny fampanarahan-dalàna ireo mpitatitra, indrindra fa amin’iny lalam-pirenena faha-34 iny. Manentana ireo mpamily sy tompona fiara izy ireo mba hikojakoja ireo fiara sy hanaraka ny lalàna mifehy ny fitaterana sy fifamoivoizana.
Jean Claude