« Tontolo iray, kolontsaina iray » : hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny Nosy roa tonta

Tontosa soa aman-tsara ny tetikasa “Tontolo iray, kolontsaina iray”, niarahan’i Ma­dagasikara sy Nouvelle Calé­donie. Tetikasa nanatanterahana ny fifanakalozana ara-kolontsaina teo amin’ny roa tonta, nandritra ny 15 andro teto Madagasikara. Ny Ivon­toeran’ny kolontsaina malagasy (IKM) no nisolo tena ny Malagasy tamin’izany, raha ny Centre Culturel Goa ma Bwarhat (CCGMB) kosa ny an’ny avy ao Nouvelle Calé­donie. Mpahay kanto samihafa avy amin’ny andaniny sy ny ankilany no nizara haikanto sy kolontsaina marolafy nandritra ity tetikasa ity. Nisy ihany koa ny fitsidihana toerana manan-tantara sy miavaka eto Madagasikara, ankoatra ny fifampizarana ara-kolontsaina sy haikanto. “Naha­finaritra ny fiarahana,ranomaso no nisarahana satria nampiombona sy nampiray tokoa ny kolontsaina sy ny natiora ho an’ny andaniny sy ny ankilany”, hoy Razafin­drakoto Nanja, nandray anjara tamin’ny tetikasa.
Mpanakanto marolafy avy any Nouvelle Calédonie sy avy eto Madagasikara no nifampizara fahaiza-manao sy traikefa nandritra ny tetikasa « Tontolo iray, kolontsaina iray ». Mpitsoka mozika, mpan­dihy vakodrazana, mpihira, mpanoratra tononkalo, mpilalao tantara, mpitendry, mpikabary, mpahay tantara sy kolontsaina, mpanao hosodoko… Ireo no nandray anjara tao anatin’ity tetikasa ity. Samy naneho ny mampiavaka azy ny Nosy roa tonta, na fomba izany na kolontsaina. Nisy koa anefa ny fifampizarana ny haikanto izay samy ataon’ny Malagasy sy ny avy any Calédonie. Anisan’izany ny filalaovana tantara, ny fitendrena zavamaneno ary ny fanaovana hosodoko.
Naharitra tapa-bolana ny tetikasa. Ny herinandro voalohany natao teto Antananarivo, tao amin’ny IKM Antsahavola sy teny amin’ny Plaza Ampe­filoha. Fifampizarana kolontsaina sy fomba fanao ary haikanto no natao tao anatin’izany. Fiarahana tany amin’ny faritra Atsimon’i Madagasi­kara kosa no natao nandritra ny herinandro faharoa, nitsidihana ireo toerana manan-tantara sy nankafizana ny natiora.
Mbola hitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Mada­gasikara sy Nouvelle Calé­donie, amin’ny alalan’ny IKM sy ny CCGMB, hampiroboroboana ny lafiny kolontsaina.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: