Morontsiraka andrefana : ahitana ala honko midadasika indrindra

Faharoa i Madagasikara aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ahitana ala honko (mangroves) midadasika in­drindra, izay mahatratra 277.567 ha. « Ilàna paikady maharitra ny fiarovana azy, indrindra any amin’ny faritra Menabe sy Diana », araka ny tatitry ny WWF. Miha rava anefa ny ala honko any amin’ny morontsiraka andrefana. Karazan-kazo sady afaka mitroka rivotra maloto no mampitòny ny fiantraikan’ny rivotra mahery koa.
Mitahiry solika (combustibles fossiles) 41 % hatramin’ny 74 % ny honko. Miantoka ny fiainan’olona hatramin’ny 2 tapitrisa manamorona ny morontsiraka. Anisan’ny hon­ko tsara ny any Tsiribihina amin’ny faritra Melaky, misy velaran-tany 47 000 ha. Nanomboka ny fiarovana azy ny 2017. Nomena vondron’olona ifotony maromaro ny fitantanana azy. Izy ireo no miandraikitra feno ny fitantanana maharitra any amin’ny fokontany Ankelilaly, nanomboka tamin’ny 2020. Mida­dasika amina velarana 11 868 ha ny fitantanana, ahitana ala honko 3937 ha sy karazan-kazo hafa.
Misy fiantraikany amin’ny toetr’andro ny fiarovana ny honko, anisan’ízany, manatombo in-telo ny rotsak’orana any an-toerana, tao anatin’ny telo taona farany. Mihatsara ny fari-piainan’ny olona noho ireo jono ahazoana karazan-trondro maro, ankoatra ny drakaka. Mihatsara ny vokatra hazandrano any Anke­li­laly. Manodidina ny 1 t isan-kerinandro tamin’ny 2022, raha 300 kg isan-kerinandro tamin’ny 2019.
Tafiditra amin’ny paikady sy ny vahaolana mifototra amina zava-boahary mora sy maharitra ary mahomby, tarihin’ny mpiantsehatra samihafa izany. Azo tsapain-tanana ny vokatra sy ny fahombiazana izay mampivady ny fihariana sy ny fiarovana maharitra ny tontolo iainana.
Mandray anjara amin’ny fiarovana ny honko ny fikambanana iraisam-pirenena ma­ro, manampy ny mponina ho tsara fiarovana noho ny fiovan’ny toetr’andro, ohatra ny fisorohana ny tondra-drano, rivodoza, haintany.
Tohanana ny mponina any morontsiraka, izay miankina betsaka amin’ny tontolon’ny honko.

Nanatontosa : R. Mathieu

Partager sur: