Nitondra fanazavana ny rasazy Anita, ao amin’ny kaominina Ambodibonara, distrikan’i Mahanoro fa anisan’ny faritra mena amin’ny aretina bilariziozy ny any an-toerana. Manodidina ny 20 isam-bolana ny olona voaporofo. Marary ny efatra amin’ny olona 30 tonga manao fizaham-pahasalamana isan’andro.
Tsy tongan’ny rano fisotro madio ny ankamaroan’ny tanàna any Ambodibonara. Mampirongatra ny aretina koa ny firobohana sy filomanosana anaty rano tsy azo antoka.
Ampy ny fanafody saingy andoavam-bola. Rehefa misy hetsika ara-pahasalamana ihany vao misy fizarana fanafody maimaimpoana.
“Matetika mivalan-dra ny marary, malemilemy, reradreraka tsy amin’ny antony, marary lamosina, toy izay ny fiantombohan’ny fisehon’ny aretina”, araka ny fanazavana. “Manomboka mibontsina ny kibo rehefa tsy mbola mahazo fitsaboana fa variana any anaty fiarahamonina. Efa miha mihombo ny aretina rehefa io no mitranga”, hoy ny fanazavan-drasazy Anita. Miafara amin’ny fahafatesana izany raha tara loatra ny fanatonana tobim-pitsaboana.
Efa hatramin’ny taona 2015 no efa betsaka ny tratran’ny aretina. Anisan’ny fisorohana ny fisitrahana rano fisotro madio, fampiasana lavapiringa manara-penitra.
Tatiana A