Fampianarana teknika : nampitaovanina ny CFP Ejeda

Notanterahina tany Ampa­nihy, ny faran’ny herinandro teo, ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny fampitaovana ny foibem-piofanana arak’ asa any Ejeda. Natokana ho an’ireo mpiofana, miisa 67 ny fitaovana tsotra sy ny fitaovana teknika. Hanatsara ny kalitaon’ny fiofanana ny fampitaovana. Ahafahan’ny mpiofana manao fampiharana, izay miantoka ny fahombiazan’izy ireo amin’ny fampianarana.

Mahaliana ny tanora any an-toerana ny mianatra taozavatra sy miofana arak’asa, ahafahan’izy ireo miantsehatra avy hatrany amin’ny tontolon’ny asa mahavelona. Misy amin’ny mpianatra no mivoaka ny tanàna, miasa amin’ny orinasa vaventy rehefa nahavita fianarana. Tsy mena mitaha amin’ny mpianatra hafa ny lentan’ny fahaizan’izy ireo rehefa nahavita ny fiofanana hatramin’ny farany.

Niforona ny taona 1952 ny ivon-toeram-panofanana ao Ejeda. Nitondra ny anarana Atelier Scolaire tany am-piandohana. Niova ho Teknika Fiofanana Sosialista (TEFISO) ny taona 1978 hatramin’ ny 2000. Taorian’izay, lasa foibe fampiofanana arak’asa na (CFP) Ejeda.

Maniry ny hisitraka trano misy fitaovana arifomba izy ireo. Tanjona ny hahafahan’ny mpiofana manao fampiharana araka ny tokony ho izy, raha ny nambaran’ny tomponandraikitry ny fampiofanana any an-toerana.
Ahitana ny sampam-panofanana momba ny tao trano, tao vy, rafitra, ny foibem-piofanana arak’asa ao Ejeda.

Tatiana A

Partager sur: