Antsahameva-Ankatso : nanome tolo-tanana vonjimaika ny minisitera

Nangasihasy ireo mpianatra niharam-boina tetsy An­tsahameva-Ankatso satria tsy nisy noraisina intsony ireo fitaovam-pianarana sy ny en­tana tao an-trano vokatry ny hain-trano nitranga ny sabo­tsy teo. Hotohoton’ny afo ny trano nofain’ireo mpianatra.
Tsy nijery fotsiny fa tonga teny an-toerana avy hatrany ny iraky ny minisitry ny Fam­pianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ ny herinandro teo, nitondra fanampiana ho an’ireo mpianatra.
Na dia ivelan’ny toeram-ponenan’ny mpianatra aza ity nitrangan’ny loza ity dia ma­hatsiaro manana andraikitra ny minisitera, hoy ireo solontena tonga teny an-toerana.
Nanome hery ireo mpianatra sady nanolotra izay voa­tsirambin’ ny tanana izy ireo. Mbola ho avy ny fanampiana manaraka hahafahan’ireo mpianatra traboina miarina sy miverina amin’ny fiainam-pianarany indray. Ankatoky ny fanadinana rahateo izao ka mila tohana na ara-tsaina na ara-pitaovana ireo mpianatra.

32 ireo mpianatra niharan-doza. Efitrano 12 no nonenany ary nandalovan’ny afo avokoa . Afaka nanavotr’aina kosa ireo mpianatra saingy kila forehitra avokoa ny fitaovana rehetra , ny fitafiana, ny vatsy , ny fitaovam-pianarana (solosaina, boky , kahie ,mari-pahaizana ….) .
Araka ny toromarika dia hapetraka amina toerana vonjy maika izy ireo. Nango­nina, araka izany, ny filàna fototra ahafantarana ny hoenti-manampy azy ireo.

Tatiana A

Partager sur: