Afaka dimy andro, hifandona amin’ny Black Star Ghana ny Barea de Madagascar. Lalao miverina amin’ny fifanintsanana Can 2023, ny 18 jona ho avy izao. Araka ny vaovao navoakan’ ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, i Carolus, lohalaharana Barea, no manolo ny toeran’i Njiva. Fanomanana taratasy fifanarahana amin’ilay kliobany vaovao any Thailand no tsy ahafahan’i Njiva milalao. Nivoitra izany tamin’ny resaka nifanaovana tamin’ny mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix na i Rôrô.
Ankoatra izay, naverina anaty lisitra ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy, Ibrahim Amada. “Rehefa nanao fanazarantena niaraka taminay nandritra ny folo andro i Amada, hita fa efa mipetraka tsara ny traikefany ka nantsoina indray izy”, hoy ny Coach Rôrô. Nantsoina hanatevin-daharana koa i Donga, mpilalao afovoany. Efa niaro ny voninahi-pirenena nandritra ny Chan Alzeria 2022 izy.
Marihina fa mbola isa iray no ananan’ny Malagasy ary farany ao amin’ny vondrona E.
Fitia (Mpianatra asa)