Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filohan’ny ligin’ Analamanga, taranja taekwondo, Rakotomanana Franck Tiana, taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny amboaran’ny masoivohon’i Korea, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano. Tsy nitsitsy fitenenana ny tenany namaky ny vay maharary ity haiady ity.
Naneho ny fahagagany izy ny amin’ny tsy nampiasana ny “passeport” sy ny “licence” nandritra ny fifaninanana, voalaza mazava tao amin’ny pejin’ny federasiona malagasy, ny 26 mey 2023. Teo koa ny tsy nanaovana ny “plastron électronique”, izay efa nampiasaina nanomboka ny janoary 2020 ka nahitana izany ny fifaninanam-pirenena tany Toamasina. Maro ireo mpitantana klioba sy raiamandreny nitaraina amin’ny zava-misy ao anatin’ny Taekwondo amin’izao fotoana izao.
Nanazava Rakotomanana Franck Tiana fa ny kiantranoantrano sy ny fanaovana akamakama amin’ny ekipam-pirenena, ny anton’izany. “Misy atleta tsy nanao fiadiana ny ho tompondakan’ny seksiona, ligy sy Madagasikara akory, avy hatrany dia ao anaty ekipa nasionaly nefa izany no fepetra hitsongana izay mendrika”, hoy izy. Tsy nihambahamba ity filohan’ny ligin’Analamanga ity niteny fa mihemotra ny lentan’ny taekwondo malagasy. “Ho sarotra ny hahazoana medaly volamena amin’ny lalaon’ny Nosy raha toa ka tafaverina soa aman-tsara ao anatin’ireo taranja hifaninanana ny taekwondo”, hoy hatrany izy. Nohararaotiny ny nisaotra ny filohan’ny faritra fahafito sady filoha lefitry ny AFTU, i Roty Randriamandranto, manao ny ainy tsy ho zavatra, miady ny hiverenan’izany. Notsindriny fa efa tonga eto an-tanindrazana ny filohan’ny federasiona, nomena “6è dan d’honneur” nefa tsy misy fivoriambe hijerena izay fampandrosoana.
Tompondaka