Nafenina tanaty kizo: rongony 81 kg saron’ny zandary

Tratran’ny zandary tao amin’ny kizo ao Sahavia, kaominina Tsianofana-Vangain­drano, ny rongony tamin’ny gony miisa valo, ny alin’ny 9 jona lasa teo. Nentin’ny efa-dahy tamin’ny lakana izany. Nampitandrina azy ireo tsy hihetsika ny mpitandro filaminana. Nitsambikina, nilentika tao anaty rano ny mpitondra ny entana. Navelan’izy ireo nihahaka ny rongony, nogiazan’ny mpitandro filaminana. Mahatratra 81,450 kg ny zava-mahadomelina nokasaina hihazo an’i Vangaindrano. Karohina hatramin’izao ireo mpitatitra an-tsokosoko.
Lehilahy iray tratra nivarotra rongony amin’ireo tanora ao an-tanàna Antanety Avaratra kaominina sy dis­trikan’Antanifotsy. Nahazo alalana avy amin’ny fitsarana hisavana ny tranony ny zandary. Nahita zava-mahadomelina marobe tao. Nentina na­na­ovana fanadihadiana izy mialoha ny hanolorana azy ny fampanoavana. Nilaza izy fa misy olona mpamatsy rongony azy. Anatin’ny fanadihadiana ny zandary hamatarana ny momba ny olona mpiray tendro aminy.
Efa ela nivarotana rongony izy saingy izao vao tratra, araka ny filazany tamin’ny zandary.

Tsiferana R.

Partager sur: