Samy manana ny anjara toerany ao an-tokantrano ny ray sy ny reny. Lohan’ny ankohonana ny ray, saingy akaikin’ny fo kokoa ny reny raha eo amin’ny fiarahamonina Malagasy.
Ny ray no lohan’ny tokantrano. Ny ray no mamelona ny ankohonany. Ny ray no laharana voalohany amin’ny fiatrehana sy fanatontosana adidy, sns. Na maro sy mavesa-danja tahaka izany aza ny adidy aman’andraikitra sahanin’ny raim-pianakaviana, azo lazaina fa mbola ny reny no akaiky kokoa ny Malagasy. Ny fahitana io tranga io no nilazan’ny Malagasy fa : «ny lahy lohan’ny tokantrano fa ny vavy tompon’ny tokantrano». Ny miatrika ny tranga ivelan’ny tokantrano no tena ahatarafana io anjara toeran’ny ray io. Izy, ohatra, no mitarika ny ankohonany amin’ny fanatanterahana ny adidy eo amin’ny fianakaviana na eo amin’ny fiarahamonina. Tamin’ny vanim-potoana fahiny, tazana sy misongadina ihany koa ny ray amin’ny famelomana sy fiahiana ny ankohonany. Izy no manatanteraka ireo asa heverina fa ilaina herim-batana toy ny fiasana tany sy ny fambolena.
Tsy nametraka olana ny ray
Mbola ny reny hatrany anefa no akaiky ny Malagasy satria izy irery ihany no afaka manelanelana ny ray amin’ny zanaka. Izy no mahafantatra tsara izay mianjady amin’ny ray, sady mahalala ihany koa ny mahazo ny zanaka. Izy no mandray ny fitarainan’ny zanaka sy mampita izany amin’ny ray, raha toa ka ilaina ny fanaovana izany. Ny reny no mitana ny tsiambaratelom-pianakaviana. Raha sanatria ka misy ny tranga ratsy eo amin’ny Malagasy, mbola ny reny hatrany no antsoin’ny vavany. Vitsy amin’ny Malagasy, ohatra, ny manonona na miantso ny rainy ny vavany raha sendra tafintohina. Tsy nataon’ny ray ho olana anefa ireny karazana «tombony» azon’ny reny ireny, hany ka mifameno hatrany ny andraikitra sy adidy eo amin’ny ray sy ny reny fahiny. Noraisiny ho voninahitra aza ny maha loham-pianakaviana azy.
Tsy mba tazana tao anatin’ny fiarahamonina na tokantrano malagasy, rahateo, ny «akohovavy maneno». Tsy mba niady fitovian-jo tamin’ny lehilahy ny vehivavy fahiny satria fantany tsara fa lamina voajanahary no izorany. Tsy mba sahy namingavinga ny lahy ny vavy satria hainy tsara fa harena ny zanaka ka mila ny ray sy ny reny mifarimbona ny fanabeazana azy ireny… Ny ankehitriny kosa, toa mifamadika ny rasa !
HaRy Razafindrakoto