Hiragasy: tsara fanombohana ny tsena

Volana jona, ao anatiny tanteraka ny fampisehoana adin-kiragasy… «Tsara fa­nombohana kokoa ny tsena raha oharina tamin’ny taon-dasa», hoy i Dadafara, iray amin’ireo mpikarakara seho eo amin’ny tontolon’ity zavakanto malagasy ity. Raha ny fanazavany hatrany, somary nitodika tamin’ny hiragasy ny Malagasy noho ny fanentanana natao azy ireny ho any amin’ny fiverenana eny an-doharano. Manomboka sahy mijery hiragasy amin’ny sarany ambara azy ny Malagasy, raha ny nambaran’i Dadafara hatrany. Izany hoe, efa raisin’ny Malagasy ho zava-dehibe ny fisian’ny adin-kiragasy eo amin’ny toerana na faritra iray, hany ka mahafoy vola hijerena izy.
Raha mitohy ny tranga tahaka izao, azo eritreretina ny fandrosoan’ny hiragasy ka hananany toerana tsara sy sahaza azy any aoriana any !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: