Fakana an-keriny : mitaky ny fampiharana ny lalàna famaizana ireo olona varira

Mbola miaina anatin’ny tahotra sy ahiahy ireo olona manana toe-tena varira na dia efa nisy aza ny ezaka natao sy ny fihenan’ny taha, raha ny nambaran’izy ireo. Mila ampiharina mafy kokoa ny sazy famaizana ho an’ireo manao ny trangana tsy fandriam-pahalemana eto amin’ny firenena.

Nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Ny fampiatiana no he­ry”. Niresaka tamin’ny mpanao gazety tetsy Anka­dim­ba­hoaka, ny Association Albinos eto Madagasikara. Nampahafantarana ny zava-misy mbola iainan’izy ireo hatramin’izao. Tanjona ny hametrahana paikady mazava hiarovana ny olona varira, raha ny fanazavana.
Anisan’ny firenena afrikanina ahitana varira iharan’ ny herisetra betsaka indrindra i Madagasikara, raha ny fanambarana nataon’izy ireo. Mbola betsaka ny olona tsy mahafantatra azy ireny eto Madagasikara. “Mbola misy ny tsy maty manota eto amin’ny firenena amin’ny trangana fakana an-keriny ireo olona varira”, hoy ny filohan’ny fikambanana Albinos, Ramiandrisoa Soja Fulgence.
Mitaky ny hampiharana ny lalàna famaizana izy ireo, noho izany. Nilaza izy fa mbola miaina ao anatin’ny tahotra sy horohoro ny olona varira na dia efa nihena aza ny taha mikasika izany. An­isan’ny nahitana trangana fakana an-keriny zaza varira tany amin’ny faritra Ihosy, ny volana aogositra lasa teo. Tratran’ny fokonolona sy ny zandary ny 4 tamin’izy ireo, raha ny fanazavana. “Naha­zo taratasy nilaza fa afaka madiodio izy ireo iray volana mahery taty aoriana”, hoy hatrany izy. Noha­ma­fi­siny fa mbola misy lesoka lehibe eo amin’ny fampiharana ny lalàna ka mahatonga izany. Mitarika amin’ny fanjakan’ny tsimatimanota ny raharaha toy izany, raha ny fanazavana hatrany.

Nihena ny tranga
“Nihena ny tahan’ny tran­gana fakana an-keriny, nahazo ny varira tao anatin’ ny herintaona. Nahatratra 25 ka 3 no maty tamin’ny taon-dasa. Valo ny tranga fakana an-keriny tamin’ity taona ity, ka roa no namoy ny ainy,” raha ny fanamba­ran’izy ireo.
Niforona tao anatin’ny herintaona ny fikambanan’izy ireo. Betsaka ny zava-bita nandritra izay toy ny fametrahana ny ivon’ny fikambanana manerana ny Nosy. Nilaza izy ireo fa tokony hanana paikady mazava ny firenena mikasika ny fampiatiana ny olona ma­na­na toe-tena varira. “Ma­nam­py azy ireo hiala amin’ny tahotra sy hiaina ao anatin’ny fandriampahalemana izany”, raha ny fanazavana.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: