Higadona afaka 12 andro ny fetin’ny Fahaleovantena. Mifanisa amin’ny mpividy ireo mpivarotra eny an-tsena sy eny amoron-dalana. Tena mameno ny tsena ireo mpaka entana amidy any ambanivohitra amin’izao fotoana, raha ny filazan’ny mpamongady. Ny fetim-pirenena rahateo no tena lanonana any amin’ny faritra maro manerana ny Nosy satria sady miaka-bokatra. Mbola vitsy kosa ireo olon-tsotra mividy kilalao sy arendrina ary kojakoja ho an’ny fetim-pirenena.
Miandry roa andro mialoha na amin’ny andron’ny fety mihitsy ny ray aman-dreny vao mividy kilalao ho an’ny ankizy matetika. “Simba alohan’ny fotoana izany raha vidiana dieny izao”, hoy ireo renim-pianakaviana somebiseby manontany ny vidin’ireny kilalao sy arendrina .
Manemitra ny tsena ny kilalao vita sinoa, jiro mirehidrehitra, maneno sy mihirahira. Tsy dia misy isafidianana rahateo ny tena vita malagasy raha ny karazan-kilalao, ankoatra ny kojakojan-dakozia kely fanao tsikonina.
Efa betsaka ny manjifa ny sainam-pirenena nanomboka tamin’ny herinandro, raha ny fitantaran’ny mpivarotra saina. Ankoatra ny olon-tsotra, mividy ihany koa ny sekoly sy ireo sehatra hafa ka maromaro ny kaomandy.
Ho an’ny akoho amam-borona, mangingina ny tsena. “Tsy manam-bola ny olona fa mbola sempotry ny fitadiavana. Miandry ny fizarana any am-piasana ny sasany ka lalovam-potsiny ny tsenanay”, hoy ireo mpivarotra etsy Isotry.
Tatiana A