«Ambanja rendez-vous», hoy ny hiran’ny Dr JB. Fotoana ifanomezana tokoa ny «Festival Sôrogno” isan-taona. Nanatombo ireo mpanakanto handray anjara amin’ity.
Anisan’ireo «festival» ankavitsiana tsy niato hatramin’izay nisiany ny «Sôrogno any Ambanja. Antony iray mampipetraka ny lazan’ity hetsika ara-kolontsaina sy ara-toekarena ity ny fiomanana mialohan’ny fotoana. 3 volana mahery alohan’ny fotoana mantsy, efa fantatra avokoa ireo mpanakanto handray anjara rehetra.
Ny 24 aogositra no hisokatra ny “Sôrogno Cacao 20 ans – 4è édition”, araka ny filaza azy. Alim-pandihizana lehibe toy ny mahazatra, ka i Din Rotsaka ihany no hanafana izany, hampian’i Rijade. Hanomboka ny 25 aogositra kosa ny seho lehibe ao amin’ny kianja monisipalin’Ambanja. Hanokatra izany i Max Paul Man, Weezy Oxy, Ngiah Tax, Annicette ary i Lico Kininike. Ito farany izay nandray anjara tamina andiany maro nifanesy, ary andrasan’ny mponin’Ambanja hatrany.
Handrasana indrindra amin’ ny seho faharoa ny 26 aogositra i Dadi Love. Mialoha ny hiakarany an-tsehatra anefa, efa hanafana izany i Kakabe Djino, izay efa mpandray anjara ihany koa. Eo koa ry Rootsman, Rity Baco ary Général Dégré. Handrasan’ny maro amin’ny famaranana toa ny mahazatra i Sisca sy ny “salegy aoé”, ny alahady 27 aogositra. Hialoha azy an-tsehatra ry Basta Lion, Rim Ka, Mirasoa ary LC.
Tsy fampisehoana ihany, fa hetsika maro no miara-dalana anatin’ny “Sôrogno”. Eo ny famaranana ny “Miss sy Mister Sôrogno”, hatao mandritra ny alim-pandihizana. Ny famaranana ny fifaninanana “Tsinjaka be Sambirano” sy ny fifaninanana izay mendrika indrindra amin’ny “carnaval”. Mahavory olona hatrany ihany koa ny famaranana ny lalao baolina kitra sy ny morengy. Ankoatra izay ny fampirantiana ara-toekarena, manodidina ny vokatra cacao.
Zo ny Aina




