Maro ireo faritra sahirana amin’ny fahazoana ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM. Vokatry ny takaitra navelan’ny rivodoza nifanesy, indrindra i Freddy, ny ankamaroany, any amin’iny faritra avaratra atsinanana ka hatrany atsimo atsinanana iny. Ankoatra ireo asa maika efa nataon’ny eo anivon’ny Ofisim-pirenena misahana ny onjampeo sy ny fahitalavi-pirenena (ORTM), izay sampandrahararaha miankina amin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina, mbola betsaka ny miandry amin’ny fanarenana.
Nisy ny antso avo natao tamin’ireo tsy miankina, ka anisan’ireo namaly izany ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny andro farany. Tontosa, omaly, tetsy amin’ny efitrano Djaomanoro, Tranombokim-pirenena Anosy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta. Manolotra fitaovana mitentina 1 miliara sy 200 tapitrisa Ariary ny fiangonana, hoenti-manarina ny simba rehetra.
“Hatao mba hahatsiarovana ireo mpiara-belona nitondra takaitra sy ireo nodimandry noho ny loza voajanahary nisesy izao fanomezan-tanana izao. Fanombohan’ny fiaraha-miasa izay irarianay hitohy, mba hipaka tokoa any amin’ny mpiara-belona izany. Ezaka nataon’ny fiangonana io fanampiana io. Manao fifadian-kanina indray isam-bolana ny mpino, ka ny tokony ho tetibidin’ny sakafony no harotsany ho fanampiana ny mpiara-belona”, hoy ny nambaran’Andriamalala Mamitiana, filohan’ny departemanta misahana ny maha olona eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny andro farany.
“Mahatsiaro fa tsy nanao antso an’efitra izahay eto anivon’ny minisitera. Marobe ireo pylône tapaka sy nianjera noho ireny voina ireny, ka mbola tsy tafarina ny fahavoazana hatramin’izao. Hozarana roa ny hampiasana ny fanampiana, ka ny tapany voalohany hanoloana ireo fitaovana simba rehetra. Ny faharoa kosa hanarenana ireo fotodrafitrasan’ny TVM sy RNM misy fahasimbana, toy ny tafo, ny rindrina, ny fitaovam-piasana, sns. Mahatratra 31 ireo fotodrafitrasa nahitam-pahavoazana ka iaraha-manarina amin’ny alalan’ny Tagnamaro izany”, hoy kosa ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana.
Zo ny Aina




