Mampiroborobo ny taninketsa indostrialy ny fampitomboana sy fanatsarana ny voka-pambolena, indrindra ny famokarana mitodika amin’ny tsena eto Madagasikara.
Hampifandray ny fikambanan’ny tantsaha mpamokatra amin’ireo sehatra tsy miankina sy mpanodina ny vokatra eto Madagasikara. Hampiakatra avo ny famokarana mitodika amin’ny tsena (agribusiness) sy hampiakatra avo ny kalitao ny vokatra eto amintsika mba hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Ireo ny tanjona apetraka mandritra ny hetsika « Forum B to B Agribusiness » andiany faharoa, etsy amin’ny Carlton Anosy. Atao izao entina hampifandraisana ireo mpisehatra rehetra. Indrindra ny fampiroboroboana ny famokarana mitodika amin’ny tsena sy ny fambolena biolojika. Eo ihany koa ny fananganana orinasa mpanodim-bokatra. Mandritra ny hetsika, “hisy ny fifandraisana amin’ireo mpisehatra samihafa any ivelany toy ny any Canada, Israel, Belgique. Heverina, araka izany ny fiaraha-miasan’izy ireo amin’ireo orinasa sy tantsaha eto an-toerana mba hampiakarana ny famokarana eto amintsika”, hoy ny fanazavan’ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ramilison Harifidy, omaly.
Toekarena
Mampiakatra ny harinkaren’ny tantsaha ny fampitomboana ny famokarana. Mbola maro ny tany azo trandrahina sy hanaovana fambolena eto Madagasikara. Tamin’ny taon-dasa, manodidina ny 200. 000ha ny tanim-panjakana voafaritra. Ankehitriny, misy ny tetikasa hatao amin’izy ireny.
Henintsoa Hani