Ho avy eto Madagasikara, ny zoma 16 jona ho avy izao, ny delegasion’ny Black Star Ghana. Ahitana mpilalao 24 sy mpijery ary mpanao gazety avy any an-toerana, lehibe mpitantana izany.
Maneho ny firaisankinany manoloana ilay lalao baolina kitra, hihaonan’i Madagascar sy i Ghana, etsy Mahamasina, ny 18 jona ho avy io ny Black Star Ghana. Matevina ny delegasiona hoentin’izy ireo, amin’ity fifanandrinana miverina eo amin’ny roa tonta ity. Araka izany, 74 ny isan’ny olona mandrafitra izany, raha ny fanadihadiana natao omaly. Mahatratra 24 ny mpilalao, ahitana an’ilay mpirahalahy, Jordan sy André Ayew. Tazana ao ihany koa ry Thomas Partey sy Williams. Ankoatra izay, ny “Staff” sy ny mpanohana, miampy mpanao gazety sy ireo lehibe eo anivon’ny Federasion’ny baolina kitra ganeanina.
Raha ny fantatra, ny zoma 16 jona, andro hariva no higadona eto an-toerana ny Black Star.
Tsiahivina fa manana isa valo i Ghana ao amin’ny vondrona E misy antsika, ary izy ireo no voalohany ao anatin’ity sokajy ity.
Tonga omaly daholo ny mpilalao
Efa tazana nanao fanazarantena tao Mahamasina avokoa ny mpilalaon’ny Barea rehetra, ankoatra an’i Abdallah sy Boyer. Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny FMF, omaly hariva izy mirahalahy ireo no tonga teny Ivato.
Ankoatra izay, manomboka manamafy ny fahaiza-miaraka sy ny paikady rehetra entina manohitra ny Black Star ny ekipam-pirenena tarihin-dRakotondrabe Romuald Felix, mpanazatra Barea. Efa vonona ny haneho ny fahaizany tanteraka ny mpilalao Barea, ary hiezaka ny haka fandresena sy ny tsy hanala baraka ny ekipam-pirenena malagasy.
Marihina fa mbola isika no farany ao amin’ity vondrona E ity ary manana isa iray.
Fitia (mpianatra asa)