“Fiba World Cup U19”: hihaona amin’i Chine i Madagasikara

10 andro mialohan’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja basikety “Fiba World Cup U19”, izay hatao any Debrecen, ny 24 jona – 2 jolay, hanao fiofanana any Serbia ny Ankoay. Araka izany, misy lalao andrana efatra ataon’ity ekipam-pirenena malagasy ity, ao amin’ny “Centre Vizura sport” Bel­grade. Anisan’izany, ny fifanandrinan’izy ireo amin’i Chine U19 sy ny ekipa voafantin’i Serbia. Ankoatra izay, klioba matihanina roa any an-toerana no hihaona amin’izy ireo. Aorian’izany, hamonjy avy hatrany an’i Hongria izy ireo, hiatrika ny Mondial. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny taranja basikety (Fmbb), ny alatsinainy lasa teo, ny Ankoay zandriny, niala teto an-tanindrazana hihazo an’i Serbia.
Marihina fa niatrika lalao roa ara-pirahalahiana tetsy amin’ny Palais des Sports Mahamasina ny Ankoay zandriny, ny herinandro lasa teo..
Tsiahivina fa ao amin’ny vondrona B no misy ny ekipam-pirenena malagasy. Ani­san’izany i Etazonia sy i Li­ban ary i Slovenia. Marihina fa ny mpilalao Amerikanina no hifanandrina amintsika voalohany, ny 24 jona ho avy izao amin’ity fifaninanana eran-tany ity. Tsara ny mampahafantatra fa ny ekipan’i Etazonia no tompondaka farany tamin’ny Mondial U19, ny taona 2021. Fanamby goavana ny miandry ny Ankoay, ny hivoaka eo amin’ny lalao ampahefa-dalana.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: