Araka ny fanapahan-kevitra niarahan’ny filohan’ireo ligim-paritra sy ireo mpitantana ny klioba ary ny mpanohana, tinapaka fa hotanterahina ny 16 ka hatramin’ny 18 jona ho avy izao, eny amin’ny kianja Ivato, ny fifaninanam-pirenena amin’ny taranja tsipy kanetibe. Misokatra ho an’ireo mpilalao rehetra manana ny kara-pilalaovana ara-dalàna ary eken’ny Federation sport boule de Madagascar (FSBM).
Hanana ny lanjany lehibe io fifaninanana io satria hifantenana izay handrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023), andiany faha-11 ho tanterahina eto Madagasikara, ny 25 aogositra ka hatramin’ny 3 septambra ho avy izao, araka ny nambaran’Amiroudine, filohan’ny federasiona.
Raha tsy misy ny fiovana, hanomboka ny volana jolay ho avy izao ny fampivondronana fiomanana amin’izany lalaon’ny Nosy izany. Mandra-piandry izany, misy “mini tournoi”, karakarain’ny FSBM, isaky ny alarobia, hitazomana ny tanjaka sy ny herin’ny mpilalao tsirairay avy.
Natao ho an’olon-telo miaraka sokajy “senior” lahy sy vavy, ity fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara ity.
Tompondaka