Mpisoloky voasambotra: misandoka ho mahatafiditra mpiasa

Zatra ny lalan-dririnina! Noraisim-potsiny ny mpisoloky iray taorian’ny fanadihadiana nataon’ny kaompanian’ny zandary Tana/Ville, omaly. Misandoka andraikitra ho mahatafiditra mpiasa amina orinasa. Mividy gazety ahitana ny laharan’ireny olona mitady asa ireny izy. An­tsoiny, anaovany fotoana ilay mitady asa ka amoronany tetika maromaro ahafahany misandoka. Fantariny ny asa ilain’ilay olona. Omeny laharana tapakila ary asaina manao fi­zahana amina dokotera. Enti­na milahatra any amin’ny biraon’ny dokotera amina ho­pitaly lehibe eto an-dReni­vohitra, tazominy ny findain’ireo olona tratrany. “Tsy afaka hitondrana telefaonina anaty birao”, hoy izy amin’ireo olona entiny. Vantany vao miditra anatin’ilay birao ilay mitady asa, tsy hita ity mpisoloky ity sy ny finday azony. Maromaro ireo efa lasibatra ka nametraka fitoriana teny anivon’ny zandary. Niafara amin’ny fisamborana ilay mpisoloky izany.

Tsiferana R.

Partager sur: