Naratra mafy izy mivady voatafika tamin’ny talata alina. Voakapa famaky ny lohan-drangahy. Voafira antsy ny tanan-dramatoa. Miandahy miambavy ny mpanafika.
Voatafika ny mpivady, mpivarotra enta-madinika, monina ao Andranomanganahana, distrikan’i Farafangana, ny talata alina lasa teo. Nokapain’ny jiolahy famaky ny raim-pianakaviana. Naratra mafy teo amin’ny lohany sy ny lamosina. Mbola voafira antsy ihany koa ny vadiny. Naratra mafy teo amin’ny tanany. “Vaky loha, voavely kibay tao amin’ny lamosina. Santionany amin’ny ratra nahazo ireo mpivady niharan’ny fanafihan-dahalo nirongo fitaovam-piadiana izany. Nirongo kibay sy famaky ny mpanafika izay niandahy miambavy, miisa 10”, araka ny fampitam-baovao tany an-toerana.
Tsy nanampo na inona na inona izy mivady. « Niditra an-keriny tao an-trano ireo malaso ka nidaroka avy hatrany. Nisy ny nandraoka ny entana. Voaroba ny vola 5 hetsy Ar, lamba sy akanjo ary entana ao an-trano fivarotana, nahitana kojakoja fampiasa andavanandro. », araka ny fitantaran’i Jean Théophile, ilay lasibatra.
«Nitsoaka ny mpanafika rehefa nahazo ny entana notadiaviny tao amin’ireo niharam-boina», hoy ny mpitandro filaminana. Fotoana fohy taorian’izay, tonga teny an-toerana ny zandary rehefa nahazo antso avy amin’izy mivady voatafika. Nentina namonjy ny hopitaliben’i Farafangana izy mivady. Efa nahazo fitsaboana izy ireo, tsy misy ahiana intsony ny ainy.
Misokatra ny fanadihadiana. Mitohy ny fikarohana ny olon-dratsy, tompon’antoka tamin’ity fanafihana ity. Ny eo anivon’ny polisim-pirenena ao Farafangana no manohy ny famotorana, raha ny zandary no nanao ny fanadihadiana savaranonando teny ifotony.
Jean Claude