Mafy ny fifandonana ! Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Andriamena, notarihin’ny kapiteny Marius, nampian’ireo vondron-kery manokana avy eo anivon’ny FIGN/GSIS (tarihin’ny kapiteny Anondahy) sy ny andian-dahalo mpaka an-keriny, omaly vao maraina. Tao amin’ny toerana atao hoe Ambohitrafovoany Andriamena no nifanehatra ireo zandary sy ny dahalo. Raha ny fampitam-baovao voaray avy amin’ny zandary, nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ity tanàna ity, ny 1 jona 2023 lasa teo. Lasan’ireo dahalo ny omby niaraka tamina mpianaka, nataon’izy ireo takalonaina. Nanao ny fanarahan-dia avy hatrany ny zandary taorian’izay. Tapi-dalan-kaleha anefa ireo malaso rehefa tonga teo amin’ity toerana ity satria efa voafehin’ny zandary. Resy tosika ny dahalo nandritra ny fifampitifirana ka lasa nitsoaka avy hatrany. Navelan’izy ireo ny takalonaina ka avotra soa aman-tsara. Tsy nisy, araka izany, ny aina nafoy na naratra, saingy tafaporitsaka ireo malaso. Nohamafisin’ny zandary fa salama tsara ireto mpianaka teny am-pelatanan’ny dahalo ireto ary efa tonga eo anivon’ny fianakaviany. Tsy nisy vola naloa tamin’ireo dahalo. Mitohy ny fikarohana ireo olon-dratsy satria efa fantapantatra ny toerana misy azy ireo, raha ny fanampim-panazavana avy amin’ny zandary hatrany.
Jean Claude