Nampanantenaina fa tsy maintsy ho vita ny Rovan’Antananarivo. Nohamafisin’ny filohan’ny Repoblika izany nandritra ny lanonana fanombohana ny famitana ny asa, ny volana avrily 2019. Nambara tamin’ny fomba ofisialy ihany koa fa lasa Rovan’i Madagasikara no hiantsoana ity harem-bakoka ity, satria manamarika ny tantaran’ny Nosy manontolo izany. Vita soa aman-tsara ny fanarenana an’i Besakana, lapa trainainy indrindra ao Androva. Nanaraka azy i Manjakamiadana, lapa lehibe sy malaza indrindra, izay tena naharitra tokoa ny fanarenana azy. Tsy mbola afaka nosokafana ho an’ny besinimaro anefa ny Rovan’i Madagasikara, noho ny antony maro. Lehibe indrindra tamin’izany ny famitana ny fanarenana ireo Lapa Tranovola sy Manampisoa. Teo koa anefa ny fiandrasana ireo harem-bakoka avy any ivelany, haranty ao amin’ny mozea.
28 taona taorian’ny nahamay ny Rova, hisokatra indray ho azo tsidihin’ny besinimaro izy. “Andro vitsy sisa no isaina, satria hisokatra amin’izao ankatoky ny fetin’ny Fahaleovantena izao ny Rovan’i Madagasikara”, hoy ny fampahafantarana. Mariky ny fandresena ny nahavitana nanarina sy hanokatra ity harem-bakoka manamarika ny tantaran’i Madagasikara ity. Zava-dehibe loatra ny fahavitan’ny fanarenana, hamelombelona indray ny hambompo maha Malagasy. Tsy an’ny mpitondra taloha na ankehitriny. Tsy an’ny tomponandraikitry ny toerana fa an’ny Malagasy tsivakivolo ny Rovan’i Madagasikara. Izay no iraisana fa malalaka hatrany kosa ny fanehoan-kevitra…
Randria.