Kolontsaina sy fanabeazana : miha mahazo laka ny teatra ifarimbonana

Tontosa, omaly, tao amin’ ny kaominina an-dRenivohitra Mananjary, ny fampisehoana “Soava lala”, tantara an-tsehatra sy teatra ifarimbonana. Ny ONG Tokontany iraisana no mpikarakara ny hetsika. Tan­jona ny hanaovana ny kolontsaina sy ny zavakanto ho fitaovana ahafahana mampita fanabeazana sy fahala­lana. Fahombiazana no azo tamin’ny fampiasana ny teatra ifarimbonana, nandritra ny hetsika natao tamina toerana maro tany amin’ny faritra Atsimo Andrefana. Hanom­boka hisehatra amin’iny faritra Fitovinany iny indray ny mpikarakara ary vina ny hanatanterahana hetsika amin’ny faritra rehetra.
Fomba iray hoentina mam­pita hafatra sy mitondra va­haolana amin’ny famahana ny disadisa ny teatra ifarimbo­nana. Lohahevitra trandrahina sy fanao matetika amina he-tsika ny momba ny herisetra samihafa. Ezahina ao anatin’ izany ny hitarihana ny sain’ny mpijery hisaina vahaolana hoenti-manatsara na hisoro­hana ny olana.

Lin (Mpianatra asa)

Partager sur: