Fotoan’ny hanim-pitoloha ny fetin’ny fahaleovantena ho an’ny tokantrano malagasy. Mikarakara ny karazan-tsakafo ho an’ny ankohonana ao an-trano. Mila mailo anefa amin’ny mety ho fanapoizinana ara-tsakafo noho ny antony maro.
Matetika sakafo na rano nidiran’ny otrikaretina na vokatry ny akora simika no mahatonga ny fanapoizinana ara-tsakafo. Tena saropady ny fanapoizinana ara-tsakafo ho an’ny sokajin’olona marefo toy ny zazakely, reny bevohoka, zokiolona, ary ireo manana olana amin’ny hery fiarovana, toy ireo mararin’ny homamiadana, manana are-tina mitaiza…
Mitera-doza ny sakafo tsy voadio tsara na tsy masaka tsara na ratsy fitahirizana.
Zava-doza ny fihinanan atody efa vaky na efa ela loatra ary ny fampiasana ireo ho lasa maionezy. Eo koa ny sakafo manta, hazandranomasina, sakafo ambifotsy (mibontsina, misy fofona ratsy, miova ny lokony, mitsiranoka, lany daty…), ny vokatra avy amin’ny ronono efa mivadika… Ankoatra izany ny karazan-kena ratsy fitahirizana na efa misy fahasimbana, indrindra amin’izao fahatapahan-jiro sesilany izao.
Mila fantarina koa ny karazan-tsakafo tsy tokony hiaraka mba tsy havesatra ka mety hiteraka aretina. Lanjalanjaina ny karazan-tsakafo ary mihinana izay sahaza fa tsy manao tafahoatra. Mila hentitra koa amin’ny fanajana ny fahadiovana na ho an’ny kojakoja sy fitaovana na ireo akora ampiasaina.
Tatiana A