Zava-mahadomelina : Beazina hiaro tena ny tanora

Nanao hetsika hoentina hanabeazana ireo tanora tsy ho tafiditra amin’ny fidorohana zava-mahadomelina ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Antana­malaza, Ambatolampy, omaly. Natombok’izy ireo tamin’ny mpianatry ny lisea ao an-toerana izany.

Nam­pahafantarina ireo tanora ny fisian’ny rongony mahery vaika toy ny “héroine” na ny rôrô. Nitondran’ ny lehiben’ny zana-tobim-paritra ao an-toerana fanazavana tamin’izany fa maro ny voka-dratsy azo avy amin’io karazan-java-mahadomelina io.
Nisitraka fanentanana amin’ny tsy hirosoana aloha loatra amin’ny firaisana ara-nofo koa ireo tanora. Ma­rihina fa tsy eto an-dReni­vohitra ihany, saika lasibatr’ io rongony mahery vaika io avokoa ny ankamaroan’ny tanora amin’izao fotoana ka antony nanaovan’ny zandary ao an-toerana ity fampianarana sy fampiofanana ny tanora ity.

Tsiferana R.

Partager sur: