Basikety N1B (L) : mandravarava ny Cosfa sy ny ASB

Hiditra amin’ny andro fahadimy, anio, ny fifaninanana nasionaly N1B, sokajy lehilahy, taranja basikety, tontosaina any Morondava. Efa manomboka hita soritra ireo ekipa misongadina tao anatin’izay efatr’andro izay. Ho an’ny omaly, nandravarava tanteraka ny ekipan’ny Cosfa Analamanga, nanoloana ny Blac Atsinanana. Isa mavesatra 82 no ho 29 no nisarahan’ny roa tonta ary tena nanjaka tanteraka ity ekipan’Anala­man­ga ity. Toy izany ihany koa ny fihaonana teo amin’ny ASB sy Epab izay nanjakan’ny ekipan’Itasy tanteraka. Nolavoin’ny ASB Itasy, tamin’ny isa 78 no ho 32, ny ekipan’ny Epab Betsiboka.
Nifandanja kosa ny lalao teo amin’ny AKBB Anala­man­ga sy ny ASS Menabe izay nisaraka tamin’ny isa 43 no ho 37 ka nivoaka ho mpandresy ny AKBB, ekipa anisan’ny misongadina ihany koa. Mbola hitohy hatramin’ny alahady 18 jona izao ity fifaninanana ity.

Mi.Raz

Vokatra 14 jona 2023
Cosfa Analamanga 82-29 Blac Atsinanana
Epab Betsiboka 32-78 ASB Itasy
AKBB Analamanga 43-37 ASS Menabe
FFpro-BCTM Vakinankaratra 33-51 AS Victoire Boeny
BC Somava Sava 66-44 Serasera Vakinankaratra

Partager sur: