Bellingham : mpilalao vaovaon’ny Real Madrid

Nahazo mpilalao baolina kitra manan-talenta vaovao ny ekipan’ny Real Madrid. No­ton­tosaina omaly 14 jona ny fifanarahana eo amin’ilay irakiraka anglisy, Jude Victor William Bellingham sy ity klioba espaniola ity. Araka ny fikarohana natao, efa herinandro lasa izay ny ekipa niavian’i Bellingham, Dortmund no nilaza momba ity vaovao ity ka voamarina izany ankehitriny.
Hotanterahina anio kosa ny lanonana fampiderana azy ao Madrid. Lelavola maherin’ny 103 tapitrisa Euros, ny vidin’i Bellingham raha toa ka maharitra 6 taona eo izy no hijanona ao amin’ny Real Madrid (2024-2030). 19 taona ity mpilalao ity. Taorian’i Beckahm, kintan’ny baolina kitra, izy no teratany anglisy faharoa hilalao ao amin’ity eki­pa nahazo “Ligue des Champions” 14 ity. Izy ihany koa no mpilalao tanora novidiana lafo, maherin’ny 100 tapitrisa Euros, taorian’ilay Frantsay, Kylian Mbappé sy Joao Felix, lohalaharana portiogey.
Marihina fa mpilalao fa­hatelo nalain’ny Real tamin’ity volana jona ity i Belling­ham, raha toa ka efa nahazo an’i Brahim Diaz sy i Fran Garcia izy ireo.

Mety ho an’ny Real Madrid i Mbappé
Manomboka mihetsika sy manao ny fomba rehetra hifindrana ao Madrid i Mbap­pé. Araka ny vaovao miparitaka ao Paris, efa nandefa taratasy misahana ny fifanarahany eo anivon’ny PSG ny tenany. Nomarihiny tao fa tsy hanohy ny fifanarahana amin’ity klioba frantsay ity intsony ny tenany amin’ny taona 2024. Raha ny fikarohana natao, mitetika ny hifindra ao amin’ny Real Madrid ny lehilahy. Ity klioba espaniola ity, izay efa mifampiresaka sy mifandray akaiky amin’i Mbap­pé.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: