Mampikony : tratra i Goralahy mpaka an-keriny

Tratra ihany! Nokarohina nanomboka ny taona 2017, voasambotry ny zandary tao amin’ny distrikan’i Mampi­ko­ny i Goralahy, dahalo mpaka an-keriny. Lehiben’ny dahalo mpanao io asa ratsy io mihitsy izy raha ny fanazavan’ny zandary. Nitondra takaitra tamin’ny fakana an-keriny nataony niaraka tamin’ireo namany ny tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ampa­simatera. Nitory teny anivon’ny mpitandro filaminana ireo lasibatra saingy tsy hita ity dahalo ity. Sarona taorian’ny vela-pandrika nataon’ny mpitandro filaminana izy, ny alarobia 14 jona teo. Nentina hatao famotorana, karohina hatrany ireo namany izay mpiray tsikombakomba aminy.

Tsiferana R.

Partager sur: