Naiditra am-ponja… : tratra ireo mpanao trafika sy mpidoroka rôrô

Naiditra am-ponja, omaly, rehefa avy natolotra ny fampanoavana ny tambajotra mpanao trafikana zava-mahadomelina mahery vaika (rôrô). Tratran’ny polisy mi­sahana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina teny amin’ny faritra Ankoron­drano, afakomaly ireo olona dimy voarohirohy tamin’ity raharaha fivarotana sy fidorohana ary firaisana tsikombakomba amin’ny fanaovana trafikana zava-mahadomelina ity. Angom-baovao no nahafahan’ny polisy nandeha teny an-toerana ka nisambotra ireto voarohirohy ireto. Tratra tao amina trano iray izy ireo. Ny lehilahy iray mpividy raha irakiraka kosa ny ramatoa iray. Ny vehivavy roa mpivarotra héroïne, ny ambiny mpampiantrano ireo mpidoroka rôrô. Nahita­na fonosana rôrô dimy ( 0,11 grama) sy rôrô (0,11 grama) mbola tsy vita fono niaraka tamin’ny fitaovana fampiasa amin’izany tany amin’izy ireo nandritra ny fisavan’ny polisy ny tao an-trano.

J.C

Partager sur: