Lehilahy iray 19 taona karohin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fanolanana nihatra tamin’ny zazavavy 11 taona, tao amin’ny Fokontany Moramanga ambony, distrikan’i Moramanga, ny zoma 9 jona teo. Tsikaritr’io lehilahy io fa nivoaka ny trano ilay mpitaiza io zazavavy io, niditra mangingina tao an-trano ilay mpanolana. “Reraka avy nijery fahitalavitra aho ka natoritory teo am-pandriana”, hoy ilay zazavavy. Notapenan’ilay lehilahy ny vavan’ilay zaza. Nesoriny an-keriny ny akanjon’io zaza io ka naolany. Nirifatra nandositra ilay mpanolana taorian’ny filan-dratsiny. Nentin’ny fianakaviany nohamarinina teny anivon’ny mpitsabo, voamarina fa niharan’ny fanolanana tokoa izy.
Tsiferana R.