Tetikasa baolina kitra : misokatra ny Dato Akademy Mahazaza

Ho fampivoarana ny taranja baolina kitra eny ifotony, nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, ny alarobia 14 jona lasa teo, teny Antanetibe Mahazaza, distrikan’Am­bohi­dra­trimo Antananarivo, ny Dato Akademy Mahazaza. Te­tikasa iray novolavolain’ny Dato FC, avy any Farafangana sy ny kaominina eny an-toerana izy ity. Efa misy manerana ny distrika maro ny Dato Akademy. Tanjon’izy ireo ny hametraka izany manerana ny faritra eto Madagasikara. Mba hahafahan’ireo klioba mitily mpilalao tanora sy mahay ny antony.
“Miezaka mitrandraka ny talentan’ireo tanora malagasy aty ambanivohitra izahay. Manao ny fomba rehetra hamolavolana ny tanora ho vanona, ary hanana herijika hivelatra lavitra kokoa amin’ny alalan’ny filalaovam-baolina kitra”, hoy An­dria­nam­benana Velomihoatra Tsimano­sitra Painchard, filohan’ny Akademy, sady mpanorina ny Dato FC.
Mikasa ny tsy hividy mpilalao intsony ny Dato FC, ny amin’ny ho avy. Araka ny fanazavana, ireo tanora volavola­in’izy ireo anatin’ity taninketsa manerana ny faritra ity ihany no atao mpandimby.

Hanabe amin’ny lafiny rehetra
Nohamafisin’ity filoha mpa­norina ity fa miezaka manampy ny ankizy sy ny tanora malagasy amin’ny lafiny rehetra ny Dato FC. An­isan’izany ny fanabeazana ha­nana fisainana madio. Omena ny karazam-piofanana samihafa ihany koa izy ireo, ankoatra ny resaka baolina kitra. “Ho lasa mpilalao matihanina sy afaka mizaka tena irery any aoriana any ireo tanora ireo”, hoy ihany ity lehiben’ny Akademy ity.
Miisa 50 mahery ny tanora volavolaina ao amin’ny Dato Akademy Foot-ball Mahazaza, ankehitriny. “Manao antso avo amin’ireo mpiara-miom­bon’ antoka mba hanohana ireo tanorantsika. Tsy miankina amin’ny filalaovam-baolina fotsiny ihany ny fiainana eo anivon’ny Akademy, fa mivelatra amin’ny sehatra maro toy ny fampianarana teny vahiny, fampivelarana ny maha olona, fitaizana ara-panahy, sns….”, araka ny fanentanana nataon-dRakotonomenjanahary Louis Firmin, ben’ny Tanàna eny an-toerana.
Tsara ny mampahafantatra fa anisan’ireo klioba goavana eto Madagasikara ny Dato FC. Ao anatin’ny fikambanana Club Foot-ball Elite de Madagascar (CFEM) ity ekipa ity ary milalao ao amin’ilay fifaninanam-pirenena “Orange Pro League”.

Fitia (Mpianatra asa)

Partager sur: