Teatra an-kalamanjana: hisehatra eo Analakely ny Tropy Jeannette

Tropy zokiny indrindra, fa tropy mihetsika indrindra ihany koa ! Tsy mitsaha-mikaroka hevitra hampitana sy hampitiavana ny teatra ny Tropy Jeannette. Ezahan’ izy ireo samy mahazo ny anjarany, araka izany, avy ny mpankafy teatra. Efa nentin’ny tro­py tetsy amin’ny efitranon’ny Arena Ivandry an-tsehatra tsy ela akory izay, ilay piesy « HM ». Noho ny toerana kelikely, voafetra ihany ireo afaka nianoka izany.
Vaovao lehibe hoan’ny rehetra kosa ny fahafantarana fa holalaovina an-kalamanjana, eo Analakely ma­noloana ny Lapan’ny Tanà­na indray ny « HM », ny alahady 18 jona izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. Ny tropy Jean­nette andiany faha-3B, izay tarihin-dRavalison Tsiory, no haneho ny talentany mandritra izany.
Piesy klasika, nosoraran-dRakoto de Monplaisir, tamin’ny taona 1938 ny “HM”. Izany hoe efa nolalaovin’ny Tropy Jeannette andiany voalohany izy ity. Maneho taratra ny fianan-tokantrano, amin’ny alalan’ny tantaran’i Jean sy Hélè­ne, izy ity. Fitiavana miaro hasarotam-piaro, maka endrika mampihomehy ary mbola hita taratra amin’ny vanim-potoana ankehitriny, no asehon’ny “HM”. Mandravaka ny piesy ireo sanganasan’Andria­nary Ratianarivo, izay hira teatraly efa fahenon’ny rehetra ny sasany.

Zo ny Aina

Partager sur: