Lanonana tsotsotra fa manan-danja lehibe. Tontosa omaly, tetsy amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka ny fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoahan’ilay boky “Loharano nipoiran’ny teny malagasy”. Boky navoakan’ny minisiteran’ny Kolontsaina sy ny serasera izy ity, izay fandravonana ireo angom-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana momba ny tantara sy ny teny malagasy.
voka-pikarohana samihafa momba ny niavian’ny teny malagasy ireo. Samy nanana ny lalan-tsaina nitondrany azy ny mpikaroka, ka mety nisy ny tsy mifanaraka saingy samy navoaka. “Tsy nitsara na nanamarina ny fikarohana izahay eto anivon’ny minisitera, fa nitatitra mba ho fantatry ny Malagasy rehetra ireo fikarohana rehetra momba ny niavian’ny teny malagasy. Fanamafisana orina ny maha haren-tsarobidy ny teny ny famondronana anaty tahirin-kevitra tokana ireo fikarohana ireo”, hoy ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Rakotondrazafy Lalatiana.
Mizara telo ny firafitry ny boky. Ny fianakaviamben’ny teny sy ny fianakavian-teny misy ny Malagasy ny voalohany. Voalaza ao fa avy amin’ny fianakaviamben’ny teny aostronezianina, vondrona malaiopolinezianina tandrefana ny teny malagasy. Mikasika ny singa nanatevina ny teny malagasy ny fizarana faharoa. Miresaka ny fianakavian-teny bantoa, ahitana ny teny bantoa, soahily ary kaomorianina. Ao koa ny fianakavian-teny semitika, ahitana ny teny arabo sy hebreo ary ny fianakavian-teny indo-eoropeanina, toy ny teny santsikirita, frantsay, anglisy. Miompana amin’ny tantaran’ny fanoratana ny teny malagasy kosa ny fizarana fahatelo, nanomboka tamin’ny sorabe, avy eo ny fampidirana ny abidia latinina ka hatramin’ny fampiasana azy ankehitriny.
Teny miaina, teny velona ny teny malagasy. Nisy fototra nipoirany koa anefa, ka ho fanampiana ny rehetra izay liana, indrindra ireo mpianatra no namoahana ity boky ity. Tsy natao ho amidy fa kosa fa hozaraina amin’ireo trano famakiam-boky isan-tsokajiny manerana ny Nosy izany. Efa nisy ireo solontenan’ny Akademia Malagasy, solontenan’ny mpianatra sy sekoly isan-tsokajiny no notolorana izany, omaly.
Tsiahivina fa boky fahenina navoakan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny ny kolontsaina, tao anatin’ny fotoana nitantanan’ny minisitra amin’izao fotoana izao izy ity.
Zo ny Aina