Ankorondrano : 546 ireo nisitraka fitsaboana

Mitohy ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky va­ho­aka, karakarain’ny Kao­mi­nina Antananarivo Reni­vo­hi­tra. Nisitraka izany indray ireo mponina avy ao amin’ny fokontany Ankorondrano An­dra­nomahery ao amin’ny boriborintany fahatelo.

Nanom­boka ny talata teo ary hifarana rahampitso ny hetsika. Tonga nitsidika izany teny an-toerana ny ben’ny Tanànan’An­ta­nanarivo Renivohitra, Andri­an­tsi­to­haina Naina, omaly. Naha­tratra 546 mahery ireo mponina tonga nijery ny toe-pahasalamany, hatramin’ny omaly, raha ny nambaran’ny tomponandraikitra. «Tena ilain’ny mponina ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka toy izao satria mamaly ny fi­làn’izy ireo», hoy hatrany izy. Ankoatra izay, nahafaly ny mponina ny fandraisan’andraikitra mivantana nataon’ny ben’ny Tanànan’ An­tananarivo Renivohitra. Nisy marary an­ankiray tojo fahasarotana, teny an-toerana.

Maro ny tolotra hita eny an-toerana toy ny fizaham-pahasalamana, fitiliana diabeta, fizahana maso, fizaham-pahasalamana ho an’ny reny sy ny zaza, fanabeazan’aizana sy ny fandrindram-piterahana, fanomezana fanafody maimaimpoana ho an’ireo marary…

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: