Teatra manakaiky vahoaka : nahazo 12 tapitrisa Ar ho fampitaovana ny Tropy Jeannette

Sokajin-kanto miaina, mitohy ary tsy lefin’ny taona ny teatra. Misedra olana maro, saingy misy mpanohana sy mpankafy hatrany. Porofon’izany ny nahazoan’ny Tropy Jeannette fanohanana amin’ny tetikasan’izy ireo ato ho ato.

6 tapitrisa Ar mahery, avy amin’ny vondron’orinasa Andriantsitohaina sy ny Fondation Sodiat. Fanoha­nana hoan’ny Tropy Jean­nette, mba hanatanterahan’izy ireo ny tetikasa ho fampiro­boroboana indray ny teatra malagasy. Tontosa omaly, tetsy Antanimena, ny fifanaovan-tsonia ho an’ny fifanaraha-miasa eo amin’ny telo tonta. Fantatra fa fanampiana ny tropy ho an’ny fampitaovana eo amin’ny ravaka, ny fitafy enti-misehatra sy ny pitsopitsony ara-teknika izay takin’ny seho teatraly izany.

« Noho ny tsy fahampian’ ny fotodrafitrasa manara-penitra ho an’ny teatra, voatery ny tropy tsirairay miandraikitra ny vesatra rehetra na ara-materialy na ara-bola amin’ny seho izay hatao. Hanampy betsaka anay amin’ ny tetikasa hampitiavana ny teatra malagasy ny fanam­piana toa izao, ho fampitia­vana ny rehetra ny teatra”, hoy Ravaloson Tsiroy, mpitarika ny Tropy Jeannette, an­diany 3B amin’izao fotoana izao.
Hatramin’izao, miisa enina ny seho an-tsehatra homanin’ ny tropy. Akaiky indrindra amin’izany ny rahampitso alahady, manoloana ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo, etsy Analakely, manomboka amin’ ny 3 ora tolakandro. Mila ra­vaka manokana, satria anisan’ ireo piesy klasika nanama­rika vanim-potoana maro ny « H.M », izay ho lalaovin’ny Tropy Jeannette amin’io fo­toana io. Tsy mbola nolalao­vina ankalamanjana rahateo izany, ka fotoana ahitana ny talentan’ireo mpisehatra mpandimby io. Hahatsapan’ ny besinimaro ihany koa fa mitety vanim-potoana, tsy lefy laza ary miaina ny teatra malagasy.

Zo ny Aina

Partager sur: