Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa « Mise en oeuvre des projets soutenus par le programme de participation 2022-2023 de l’Unesco ». Nosoniavina, omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena Anosy, ny fanomezana tohana ho an’ny tetikasa dimy misehatra eo amin’ny tontolo iandraiketan’ity sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina ity. Fantatra, araka ny fanazavan-dRavelojaona Manda, Sekrertera jeneralin’ ny ComNat Unesco fa « ny « Projet de participation » dia natokana ho an’ny fikambanana sy ny ONG, hoentina manampy ny firenena mpikambana ao anatin’ny Unesco ». Tafiditra ao anatin’izany ny tontolon’ny fanabeazana, siansa, sosialy, kolontsaina, serasera sy fampahalalam-baovao.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa izay hifarana ny desambra 2023 ny « Amélioration de l’accès à l’informatique des élèves des lycées publics de la commune de Manombo Sud et Ankililoake, District Toliara I ». Hotanterahin’ny fikambanana Amami. « Femme : levier du développement durable à Madagascar », miaraka amin’ny fikambanana Zara Hasina. « Renforcement de capacité des membres du personnel de la commission nationale malgache » tanterahin’ny ComNat Malgaches pour l’Unesco. Ny « Atlas des îles et îlots de Madagascar » tontosain’ny Centre de fusion d’informations maritimes (CFIM). « Eduquer et former la communauté locale sur les enjeux de la restauration inclusive des lambeaux forestiers », miaraka amin’ny Centre national de recherches sur l’environnement (CNRE) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika.
HaRy Razafindrakoto