Tontosaina anio, eny amin’ ny foiben’ny Havàtsa Upem, Tahala Rarihasina Analakely, ny atrikasa famoronana tantara foronina. Ny fikambanan’ny Poeta sy ny mpanoratra Havàtsa-Upem no mikarakara ny hetsika. Tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny iray volan’ny teny malagasy. “Anisan’ny fantsona sy fitaovana entina manabe ny tantara foronina ankehitriny. Izany indrindra no tokony hahamatihanina sy hahamendrika izany karazana haikanto izany”, hoy ny mpikarakara.
Miditra amin’ny andro fahatelo ny atrikasa ho an’ny famoronana tantara. Fanoratana sy fanatontosana ary famoahana, ireo no resahina sy ifampizarana ao anatin’izany atrikasa izany. Raha tsiahivina, efa nitondra ny atrikasa nandritra ny andro roa Ratrema William sy Ranjatohery Harilala. Razafimamonjy Fanja indray no hitarika ny atrikasa anio. Izy indray no hizara ny fahaiza-manaony eo amin’ny sehatry ny tantara foronina amin’ny maha mpikaroka azy.
Lin (Mpianatra asa)