Fetin’ny fahaleovantena : nanokana kermesy ho an’ny rehetra ny mpitandro ny filaminana

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny kermesy lehibe iombonan’ny mpitandro ny filaminana, atao eny amin’ny kianjan’i betongolo. Haharitra 10 andro, nanomboka omaly ary hifarana ny 26 jona hoavy izao. Tanjona ny hisian’ny fiombonam-po eo amin’ny va­hoaka malagasy mandritra ny fankalazana ny fitsingerenan’ ny fetin’ny fahaleovantena. Nambaran’ny minis­try ny fiarovam-pirenena, jeneraly Rakotoarijaona Josoa fa: “hampisehoana amin’ny vahoaka fa tsy afa-misaraka ny mpitandro filaminana rehetra eto amin’ny Nosy”. Mba hampifaliana ny va­hoaka malagasy rehetra, in­drindra ny ankizy madinika ihany koa. Ahitana trano­heva maro samihafa ampirantina ny tantara sy ny an­draikitry ny polisy, zandary ary miaramila eny an-toerana. Ahi­tana kilalao isan-karazany natokana ho an’ny ankizy ihany koa. Mirary ny mala­gasy rehetra hankalaza ny fetim-pirenena anatin’ny filaminana sy am-pitoniana tanteraka ny ministry ny fiarovam-pirenena. Ankoatra izay, mba ho afaka hifidy an­kalalahana, izay olona tiany hitondra ny tany sy ny firenena ny vahoaka rehetra.

Mino (mpianatra asa)

Partager sur: